Fanamasinana ny Tempolin' Andriamanitra - PowerPoint PPT Presentation

About This Presentation
Title:

Fanamasinana ny Tempolin' Andriamanitra

Description:

Isika no tempolin' Andriamanitra. Inona no tokony hatao mba hanamasinana ny tempolin' Andriamanitra ao anatintsika? Ho hitanao ato ny andinindininy. – PowerPoint PPT presentation

Number of Views:46
Updated: 8 April 2015
Slides: 16
Provided by: Username withheld or not provided

less

Transcript and Presenter's Notes

Title: Fanamasinana ny Tempolin' Andriamanitra


1
Fanamasinana ny Tempolin Andriamanitra
  • Isika no tempolin Andriamanitra
  • I Korintiana 3.16 Tsy fantatrareo va fa
    tempolin'Andriamanitra hianareo, ary ny
    Fanahin'Andriamanitra mitoetra ao anatinareo?

2
Mila diovina sy hamasinina ny Tempolin
Andriamanitra
  • Isaia 592-13 - Fa ny helokareo no efitra
    mampisaraka anareo amin Andriamanitrareo, ary ny
    fahotanareo no mampiafina ny tavany aminareo, ka
    dia tsy mihaino Izy.
  • 3 Fa ny tananareo dia voaloto amin'ny rà, ary ny
    rantsan-tananareo amin'ny heloka ny molotrareo
    miteny lainga, ny lelanareo mibedibedy
    faharatsiana.
  • 4 Tsy misy mitory olona araka ny fahamarinana, na
    mandahatra ny rariny araka izay mahatoky matoky
    ny tsy izy sy miteny zava-poana izy
    Torontoronina fampahoriana izy ka miteraka
    fandozana.
  • 5 Mikotrika ny atodin'ny menarana izy ary
    manenona ny tranon-kala Izay homana ny
    atodin'ireny dia ho faty, fa raha poritra iny,
    dia menarana no miporitsaka avy ao.

3
6 Ny tranon-kalany tsy azo atao fitafiana, ary ny
asany tsy mahatafy azy ny asany dia asa
fampahoriana, ary asan-doza no eo an-tànany. 7 Ny
tongony miriotra ho amin'ny ratsy sy mimaona
handatsaka rà marina ny fisainany dia fisainana
fampahoriana, fandravana sy fandringanana no eo
amin'ny alehany. 8 Ny lalan'ny fiadanana tsy
fantany ary tsy misy rariny ao amin'ny alehany
lalana miolakolaka ny lalany, ka na iza na iza
mandia izany dia tsy mahita fiadanana. 9 Ary
noho izany dia lavitra antsika ny rariny, ary ny
fahamarinana tsy mahatratra antsika miandry ny
mazava isika, nefa indro ny maizina, ary
fahazavana, fa mbola ao amin'ny aizim-pito ihany
no andehanantsika.
4
10 Mitsapatsapa manara-drindrina tahaka ny jamba
isika eny, mitsapatsapa tahaka ny tsy mana-maso
tafintohina amin'ny mitataovovonana tahaka ny
amin'ny maizimaizina isika, ary eo amin'ny
matanjaka dia tahaka ny maty isika. 11 Isika
rehetra mampierona tahaka ny bera ary mitoloko
tokoa tahaka ny voromailala miandry ny rariny
isika, nefa tsy misy, ary ny famonjena, nefa
lavitra antsika izany. 12 Fa efa betsaka eo
anatrehanao ny fiodinanay, ary ny fahotanay
miampanga anay eny, tsaroanay ny fahadisoanay,
ary ny helokay dia fantatray, 13 Dia ny miodina
sy ny mandà an'i Jehovah, ary ny miala amin'ny
fanarahana an'Andriamanitray, ny miteny
fampahoriana sy fikomiana, ary ny mamorona sy
mamoaka teny lainga avy ao am-po.
5
Faritra fototra fito notokony hodiovina
6
Ny maso
  • Salamo 1013 Tsy hampitoetra zava-dratsy eo
    anoloanny masoko aho.
  • Matio 622 Ny maso no jironny tena,
  • Mitondra fahazavana na fahamaizinana ao anaty ny
    maso.
  • Tsy tokony ho tia mijery zava-dratsy toy ny ady,
    fahavetavetana, fitaka, fijangajana,
    fanompoan-tsampy, na film maneho izany, fa
    mahaloto ny tena izany.
  • Tokony hamaky ny Tenin Andriamanitra, ary tsy
    hijery zava-poana ny maso.

7
Ny SOFINA
  • Ohabolana 1531-32 tokony hihaino anatra mba
    hahazoana fahendrena sy fahalalana, ary
    hahavelona.
  • Asa 751 tokony ho voafora fo sy sofina ny
    tempolin ny Fanahy Masina.
  • Mitondra fahavelomana na fahafatesana ho antsika
    ny sofina. Mampifandray antsika amin
    Andriamanitra ny sofina raha mihaino ny feony
    isika, fa mampisaraka aminy kosa raha tsy mihaino
    Azy isika.
  • Tsy tokony ho tia mihaino zava-dratsy toy ny ady,
    fahavetavetana, fitaka, fijangajana,
    fanompoan-tsampy, na film maneho izany, fa
    mahaloto ny tena izany.
  • Tokony hamaky ny Tenin Andriamanitra, na film
    maneho ny asa sy ny voninahitr Andriamanitra ary
    tsy hijery na hihaino zava-poana ny sofina.

8
Ny fo
  • Salamo 1014 sy5b ny fo maditra hiala amiko,
    tsy hankasitraka izay ratsy aho tsy tohako izay
    miandranandrana sy miavonavona am-po.
  • Asa 751 tokony ho voafora fo sy sofina ny
    tempolin ny Fanahy Masina.
  • Matio 58 Sambatra madio am-po fa izy no hahita
    an Andriamanitra.
  • Matio 1519 Avy aminny fo no ivoahanny
    sain-dratsy.
  • Ny fo no mahaloto na mahadio ny olona.
  • Tsy tokony hiavonavona, hadi-po, hiteny ratsy
    hanohitra ny mpaminany, hankahala ny mpanapaka,
    hamitaka, handika ny didin Andriamanitra.
  • Tokony hatahotra anAndriamanitra, hanetry tena,
    handefitra, hamela heloka, hihavana, hifona sy
    hivavaka ho anny hafa.

9
Ny saina
  • Hosea 411-12 - Ny fahotanny olona dia ny
    fijangajangana, ny toaka sy divay ary
    ranom-boaloboka, ny mila saina amin'ny tapa-kazo
    ary ny tehina.
  • Hosea 46 - Ringana ny oloko noho ny
    tsi-fisian'ny fahalalana. Satria ianao efa nandà
    ny fahalalana, dia mba holaviko kosa tsy ho
    mpisoroko intsony
  • Ohab 812 - Izaho Fahendrena dia miara-monina
    amin-tsaina, Ary hitan'ny fahalalako ny fisainana
    mazava.
  • Ohab 96 - Ilaozy ny kely saina, dia ho velona
    hianao, Ary mizora amin'ny làlan'ny fahalalana.
  • Tsy tokony hila saina aminny toaka, divay,
    tapa-kazo, na izay milaza azy ho mpanao hatsarana
    na tsindrian-javatra, sy ny toy izany. Tsy tokony
    hamonjy fiangonana noho ny fahatahorana olona na
    fomban-drazana fotsiny isika.
  • Tokony ho amini Jehovah no hilana saina tokony
    hitandrina ny Tenin Andriamanitra ary hanaraka
    izay marina. Tokony hazava saina sy hadio fo.

10
Ny lela
  • Jakoba 3.6 - Afo ny lela, dia faharatsiana tsy
    hita lany eo amin'ny momba ny tenantsika dia ny
    lela no mampipentimpentina ny tena rehetra ka
    mampirehitra izao zavatra ary rehetra izao, sady
    arehitry ny izy.
  • 3.7-8 fa tsy misy olona mahafolaka ny lela
    zava-dratsy tsy manam-pijanonana izy sady feno
    ody mahafaty.
  • Jakoba 3.9 Izy (ny lela) no isaorantsika ny
    Tompo, dia ny Ray, ary izy ihany koa no
    anozonantsika ny olona, izay natao araka ny
    endrik Andriamanitra.
  • 3.10 Ny vava iray ihany no ivoahan'ny fisaorana
    sy ny fanozonana.
  • Tsy tokony hiteny ratsy na hanaratsy na hanozona,
    olona fa mahafaty ny lela satria toy ny sabatra
    maranitra ny teny avoakantsika.
  • Tokony hanetry tena ka hangina tsy hiloa-bava na
    dia manoloana fanenjehana sy fanaratsiana mafy
    aza isika. (Isaia 53 7 - Nampahorina Izy, nefa
    nanetry tena ka tsy niloa-bava,)
  • Jakoba 3.11 - Moa ny loharano va mamoaka rano
    mamy sy mangidy eo amin'ny vavany iray ihany?

11
Ny tongotra
  • Ohab 612-15 - Ny olona tena ratsy fanahy sy
    mpanao ratsy Dia ilay mandehandeha manao vava
    ratsy, 13 Izay mamì-maso sy manao famantarana
    amin'ny tongony Ary manao baiko amin'ny
    rantsan-tànany Fahafetsena no ao am-pony,
    Mihevi-dratsy mandrakariva izy Sady mamafy ady.
    Ary noho izany dia ho avy tampoka kosa ny loza
    hanjo azy Ho torotoro tampoka izy, ka tsy hisy
    fahasitranana.
  • Isaia 5813 - Raha miaro ny tongotrao amin'ny
    Sabata ianao dia hiravoravo amin'i Jehovah, ary
    hasandratra sy hotahiana
  • Salamo 119105 - TeninAndriamanitra no
    fanilonny tongotra sy fanazavana ny lalako.
  • Tsy tokony handeha aminny ratsy sy halaina
    aminny fanompoana ny Tompo.
  • Tokony hazoto hamonjy Sabata, hanao asan
    Andriamanitra, hamonjy sy hanampy olona.

12
Ny tanana
  • Ohab 612-15 - Ny olona tena ratsy fanahy sy
    mpanao ratsy manao baiko amin'ny
    rantsan-tànany Sady mamafy ady. Ary noho izany
    dia ho avy tampoka kosa ny loza hanjo azy Ho
    torotoro tampoka izy, ka tsy hisy fahasitranana.
  • Matio 92.8-9 - Koa tiako ny lehilahy hivavaka
    manandra-tànana masina, tsy amin'ny fahatezerana
    na amin'ny fifandirana. Ary toy izany koa ny
    vehivavy, hiravaka amin'ny fitafiana mahamendrika
    mbamin'ny fahamaontinana sy ny fahononan-tena, fa
    tsy amin'ny volo mirandrana sy ny volamena, na
    vato soa.
  • Tsy tokony haloto ny tanana, tsy hamafy ady, na
    hangalarana, na hamonoana olona, na hanao asa
    ratsy.
  • Tokony ho masina ny tanana satria entina mivavaka
    sy manao ny asan Andriamanitra.

13
Fehiny
Diovy avokoa ny momba ny Tempoly ary esory ny
fanirian-dratsy rehetra. Vonoy ny asa matinny
nofo rehetra.
LELA
MASO
FO
SAINA
TONGOTRA
SOFINA
TANANA
Ny tenantsika no Tempolin Andriamanitra velona.
Anisanny mampiala ny fanahin Andriamanitra ao
anatintsika ny fijangajangana sy ny fampisehoana
ny fitanjahana. Ezekiela 2318
14
Ho anilay mitoetra eo aminny seza fiandrianana
anie ny saotra, ny dera, ny haja, ny voninahitra,
ary ny fanjakana mandrakizay. Amena!
15
(No Transcript)
Write a Comment
User Comments (0)
About PowerShow.com